4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fibata - Lolo sy ny tariny

(Fantatr'ialahy ve RANDRIAMISARA
Ilay tsy mba mitendry raha tsy Gitara
Ilay tsy mba mitsoka raha tsy farara)bis

   Aody e!Aody e!
   (Vitsivitsy izahay no tonga aty
   Fa ny sasany nandao ny Pays)bis

Nitady kandra
Nitady kandra fa tsy nahita
Nitady kandra
Nitady kandra nankany ampita
Nitady kandra e!

   Fantatr'ialahy ve RANDRIAMISARA
   ...
   Fa ny sasany nandao ny Pays

Vaky!
(Vaky ny sôva ka lasa hira vaky!)bis
Ka manao hoe

   [(Raha namorona ny Rezimanta
   Rafanjakana hoa)bis
   Dia nasiny Sergent,dia nasiany Lietnà
   Dia nasiny Komanda
   Ela ka ela vao Jeneraly]

(Raha namorona ny FIBATA
Dia Rafanjakana hoa)bis
Dia nasiny micro,Sôfera Jango
Dia nasiny sonnerie prrrrr!
Vita avy any Hongrie
Vao manao hoe pssss!
Dia misokatra ny varavarana

   (Raha namorona ny disco
   Dia TRAVOLTA ha!ha!)bis
   Dia nasiny sipa kely
   Dia nasiny bandy kely
   Dia manao Pataloha
   Pataloha malamalama e!

(Raha namorona ny disco
Dia TRAVOLTA ha!ha!)
Dia nasiny sipa kely
Dia nasiny bandy kely
Sy mpihira telo lahy
Ka mihirahira hoe:

   ["Hay ve ianareo ka ianareo
   Ka ianareo ange
   Mandihy disco,mandihy disco"(bis)

"Hay!hay!hay!hay!
Mandihy disco,mandihy disco"(bis)]2 fois

   ["Izao indray ianareo ka ianareo
   Ka ianareo ange
   Mandihy reggae,mandihy reggae"(bis)

Hay!hay!hay!
Mandihy reggae]2 fois

   Dia manao pataloha e!
   Pataloha malamalama
   (Raha nomorona ny FIBATA
   (Dia Rafanjakana hoa)bis

Dia nasiny sonnerie prrrrr!
Vita avy any Hongrie
Vao manao hoe psssss!
Dia mikatona ny varavarana e!

Partager fibata

Commenter fibata

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite